Logo Andry

Matihanina amin'ny Fitantanana Mpanampy sy Serivisy Tokantrano

Andry Fianarantsoa dia mifanerasera aminao amin'ny fitadiavana olona azo itokisana, tsara fitondran-tena, ary efa nandalo fanadihadiana lalina.

Mpiasa efa voamarina ara-panjakana (CIN & Fokontany)
Fifanarahana ara-dalàna sy mazava (Contrat Sécurisé)
Antoka fanoloana mpiasa (Garantie de Remplacement)

Fijoroana Vavolombelona

Izao no lazain'ireo mpanjifa sy mpiasa efa natoky ny Agence ANDRY.

"Tena afa-po tamin'ny mpanampy nomeny ahy aho. Efa 6 volana izy izao no miasa ato an-trano ary tena tsara fitondran-tena sy mazoto mihitsy."

R

Rabe K.

Mpanjifa (Tsianolondroa)

"Haingana be ny fikarohana trano tao amin'ny Real Estate. Tao anatin'ny 3 andro dia nahita trano tsara hofaina nifanaraka tamin'ny teti-bolako izahay."

M

Mme Sahondra

Mpanjifa Trano (Ankarinarivo)

"Nisoratra anarana ho Nounou aho, ary nahazo asa haingana. Manaja ny fifanarahana ny Agence ary miaro anay mpiasa foana raha misy olana."

V

Vandana R.

Mpitaiza Kely / Nounou

Mifandraisa Aminay

Antsoy izahay

034 59 380 44

Email

andrydigitale@gmail.com

Toerana

Fianarantsoa, Madagascar

Ny Serivisy Ataonay

Manolotra vahaolana feno sy matihanina ho an'ny tokantrano sy ny fandraharahana eto Fianarantsoa.

Andry Real Estate

Mitady trano hofaina na hovidiana ve ianao? Sa manana tany sy trano tiana hamidy? Izahay no mikarakara sy mitantana izany am-pitoniana.

Andry Recruitment

Fikarohana mpiasa efa nandalo sivana sy fanadihadiana lalina: Mpanampy an-trano, Mpitaiza kely (Nounou), Mpiambina (Gardien), ary mpiasan'ny Hotely.

Communication & Design

Manandratra ny fandraharahanao izahay: Famoronana Logo, Afisy (Affiches), Karatra matihanina (Cartes de visite), ary dokam-barotra amin'ny Facebook.

200+

Mpiasa Nahazo Asa

100+

Mpanjifa Afa-po

50+

Trano sy Tany

Nahoana no Misafidy Anay ?

Azo Itokisana

Mpiasa nandalo fanadihadiana.

Haingana

Valiny sy serivisy haingana.

Matihanina

Fomba fiasa manara-penitra.

Galerie des Services

Jereo eto ireo trano, tany, ary asa fanaovan-dokam-barotra efa vitantsika.

Offres d'emploi Dinamika

Karohy eto mivantana ny asa mifanentana aminao ankehitriny.

Mpanampy an-trano 20 ISA

Malalaka

Mitady Vehivavy maro vonona hiasa an-trano amin'ireto toerana ireto :

Karama: 100 000 Ar Faritra: Antananarivo, Fianarantsoa...
Hampiditra Taratasy (WhatsApp)

Mpitaiza Kely (Nounou)

Malalaka

Mitady Mpitaiza be fitiavana, madio, ary mahay mikarakara zaza 2 taona any Antananarivo.

Karama: Ifanarahana Faritra: Antananarivo
Hampiditra Taratasy (WhatsApp)

Mpiambina (Gardien)

Malalaka

Mpiambina lehilahy, matanjaka, tsara fitondran-tena hiasa amin'ny alina ao Talatamaty.

Karama: Ar 150,000 / volana Faritra: Tamatave
Hampiditra Taratasy (WhatsApp)

Chauffeur

Malalaka

Chauffeur lehilahy, matanjaka, tsara fitondran-tena hiasa Hitondra 4*4.

Karama: Ar 300,000 / volana Faritra: Mananara Avaratra
Hampiditra Taratasy (WhatsApp)

Taratasy Fifanarahana & Fangatahana (Client)

  • Saran'ny Serivisy (Frais d'agence 100%): Aloa mivantana amin'ny andro voalohany hanombohan'ny mpanampy miasa.
  • Antoka sy Fanoloana: Raha misy fialana latsaky ny 1 volana (olana avy amin'ny mpiasa), manolo maimaim-poana ny Agence ao anatin'ny herinandro.
  • Tapa-bolana hianarana: Manana 2 herinandro hampianarana the mpiasa ny mpampiasa.
  • Fanadihadiana Lalina: Ny Agence dia mitaky taratasy feno (CIN, Résidence, Saritapaka).
  • Fiarovana sy Halatra: Ny mpampiasa no mitantana ny fananany sy mametraka fitoriana raha misy halatra.
  • NB: Izahay dia tsy mahalala ny tena toetra ny olona alefanay miasa, fa kosa manao fanadihadiana ny momba azy rehetra alohan'ny handefasana azy miasa.

Fifanarahana Arak'asa & Fisoratana Anarana (Mpiasa)

  • Fe-potoana hiasana: 6 volana ho an'ny eto Fianarantsoa, ary 1 taona kosa raha any amin'ny faritra.
  • Antoka fitondran-tena: Tsy raisina aloha ny antsasaky ny karama amin'ny volana voalohany fa averina mitambatra.
  • Raha miala tsy nahatapitra contrat: Tsy maintsy mamerina ny fandaniana rehetra nataon'ny mpampiasa.
  • Fiarovana ny Mpiasa: Ny Agence dia miaro ny zon'ny olona avy aminy raha misy herisetra na fanararaotana.